Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-8

7 Aoka ho araka ny fahambonianareo amin'ny zavatra rehetra, dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana na amin'inona na amin'inona, ary amin'ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin'ity fahasoavam-piantrana ity.

9 Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany. 13 Satria tsy mety raha ny sasany, alam-pahoriana, hianareo, tra-pahoriana; fa ny fitoviana ihany e. 14 Amin'izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin'izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan'izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin'izany dia hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe: 15 Ny nanangona be tsy nanana ambiny; ny nanangona kely, tsy nanan-tsy ampy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0507